Ny Teninao, ry Ray (JMJ Mada 8, 2015) - Sambatra izay madio fo

Fanevan'ny JMJ Mada 8 ( Fianarantsoa )

1-  Ny teninao ry Ray, manazava sy milaza
     F'izay madio Tanana, sy izay mazava Fo
     No afaka hiakatra ilay vohitra malaza
     Higoka hasambarana tsy manam-paharoa
     Higoka hasambarana tsy manam-paharoa

Sambatra e, zay madio Fo, Fanahy amam-batana
Fa tsy mora ny miady amin'ny fakam-panahy misakana

Fiv :

Sarotra ny lalana iantsoanao anay
Lalan'ny fitiavana, Lalanao ry Ray
Ampio izahay Tanora fa te hiaraka aminao
Ho sambatra e ... fa hahazo fiainam-baovao

2 - Nanambara ianao ry Jesoa Kristy
     Hoe tsy mbola nisy nahita ny Ray
     Ianao no nampianatra anay hifankatia
     Mba ho mendrika anay ny mandrakizay 
     Mba ho mendrika anay ny mandrakizay 

Sambatra e, zay madio amin'ny fihaino sy fijery
Fa ny fiainana anaty mihintsy no tsy mba very

Fiv :

Sarotra ny lalana iantsoanao anay
Lalan'ny fitiavana, Lalanao ry Ray
Ampio izahay Tanorafa te hiaraka aminao
Ho sambatra e ..., fa hahazo fiainam-baovao

3 - Fanentananao anay ry Fanahy Masina ô
     No ahafahanay miantso ny anaran'Andriamanitra
     Sy mijoro an-kasahiana fa tsy ankinafinafina ô
     Ho vavolombelon'ny fiainana any an-danitra
     Ho vavolombelon'ny fiainana any an-danitra 

Sambatra e, ireo madio ny fitafiny amin'ny ràn-janak'ondry
Fa tsy maintsy miaritra ny mafy izy ireo vao mahomby

Setriny: 

Ry Reny madio indrindra ô, ampio izahay Tanora
Ry Anjely mpiambina anay ô, tantano ny dia fa tsy mora
Md Joany Paoly faharoa ô, mivavaha ho anay
Sambatra e... ny madio fo fa hahita ny Ray

Nampiditra jarod3
Sokajy Samihafa - Tanora
Fihirana Hasina p. 884
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1564