Ry FET ô, atambaro ny hery

1. Nomena antsika ny finoana ka atolory
Mba hamokatra maharitra
Ry FET, ndao isika hifanome tanana
Hampandroso ny fikambanana.

Ry FET ô, atambaro ny hery
Ndao isika hivondrona
Hampandroso ny fikambanana
Ho reharehan'ny Fiangonana
Izaho kosa haneho aminao
Ny finoako amin'ny asako
(Amin'ny asanay e! Amin'ny fiainanay e!
Amin'ny fifankatiavanay e! Hiezaka izahay e)

2. Ny Eokaristia no fiombonana e,
Mampiray sy mampifankatia;
Jesoa efa mitari-dalana!
Ry FET, andeha hiara-dia.

3. Masina Maria Reninay ô,
Mba arovy ny fikambananay;
Fa hiezaka izahay haneho amin'ny asa.
Ny finoana hivelomana.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Hasina p. 826
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746