Tompo ô, mamindrà fo aminay e - Tsy afaka namonjy ahy ny tontolo

Tsy afaka hamonjy ahy ny tontolo
K'ity aho mifona aminao;
Mangata-bonjy ombam-pamelana
fa maro ny ota natao,
'Ty ondry very nihoatra ny fefy,
nihoatra ny valam-pitia.
Vohay varavarana / ampandrosoy e!
Mihanta aminao izahay:
Tompo ô, mamindrà fo aminay e!

Nanentsin-tadiny tsy nety nihaino
ny tokim-pitiavanao,
Nihevi-tena nilaza ho mahery
Kinanjo aho lavo izao:
'Ty ondry very nihoatra ny fefy,
nihoatra ny valam-pitia.
Vohay varavarana / ampandrosoy e!
Mihanta aminao izahay:
Kristy ô, mamindrà fo aminay e!

Ianao no lalana sy fahamarinana,
ianao no fiainana,
Izay tsy miray amin'ny foto-boaloboka
maina sy mangaihay.

'Ty ondry very nihoatra ny vala,
maniry hiverina indray.
Vohay varavarana ampandrosoy e!
Mihanta aminao izahay:
Tompo ô, mamindrà fo aminay e!

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 830
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724