Endrey, ry Tompo ô

Endrey, (ry Tompo ô)
Endrey, mba sambatra aho sy finaritra
Fa ianao no miahy sy mitantana ahy,

(Mba sambatra aho sy finaritra)
Fa ianao no miahy sy mitantana ahy.

(Lk. 12, 22-31)

1. Tsy mamafy e (kanefa mihinana)
'Rony vorona e (tsy manao an-tsompitra)
Nefa ireny e nataonao ho ahy,
Ka nahoana re no hanahy?

2. He ny ahitra e (tsara famelana)
Tsy miahy (ny ampitso ho maina)
Nefa ireny e nataonao ho ahy,
Ka nahoana re no hanahy?

3. Tsy hijanona e (izahay, ry Tompo)
Fa hikatsaka e ('zay hivelomana)
Nefa kosa hotsarovanay
Fa ianao no mitsimbina sy mitantana.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Hasina p. 442
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0564