Tamin'ny Teniny no nahariana ny zava-drehetra

Tamin'ny Teniny no nahariana ny zava-drehetra
sy nananganany antsika ho zanany.

(Sal. 32)

Hobio ny Tompo, ry olo-marina,
Dia ilay mendrika hoderaina, ry olo-mahitsy!

Derao amin-dokanga ny Tompo
antsao amim-baliha tory folo!

Ihirao hira vao Izy;
androdony horaka aman-java-maneno!

Fa mahitsy ny Tenin'ny Tompo;
ara-drariny ny asany rehetra;

ny fahamarinanan sy ny hitsiny no tiany
ny hatsaram-pon'my Tompo manerana ny tany!

Ny lanitra no vita: ny Tenin'ny Tompo;
ny tafiny rehehtra: ny Fofon'Ain'ny Vavany.

Ny ranon'ny ranomasina nangoniny anaty siny;
ny hatsam-be nataony fahi-drano.

Matahora ny Tompo,ry tany tontolo;
mangovita ry mponina amin'izao rehetra izao:

fa Teniny, dia vita;
Didiny, dia tafajoro!

Ny Tompo mandrava ny fanampoizan'ny firenena,
sy manafoana ny fikasan'ny vahoaka.

Ny fanampoizan'ny Tomo maharitra mandrakizay;
ny fikasan'ny Fony, amin'ny taranaka mifandimby.

Sambatra ny firenena tahin'ny Tompo Andriamaniny,
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany!

Any an-danitra ny Tompo mitazana;
hitany avokoa ny zanak'olombelona;

any amin'ny toerana onenany Izy mitsinjo
ny mponina rhetra amin'ny tany:

Izy ilay namolavola ny fony tsy an-kanavaka,
ilay mahafantatra ny asany rehetra!

Ny mpanjaka tsy voavonnjin'ny tafiny maro;
ny mpiady tsy voaavotry ny heriny be.

Fitaka ny soavaly raha hoe handresena;
ny heriny be tsy mahavonjy velively!

Indro ny mason'ny Tompo amin'izay matahotra Azy.
sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony,

hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana,
sy hamelona azy amin'ny tao-mosarena!

Ny fanahinay manantena ny Tompo:
Miptahy anay Izy sy ampinganay!

Izy no ifalian'ny fonay;
ny Anarany no ifefenay.

Ho aminay anie hatsaram-ponao, ry Tompo,
araka ny itokianay Anao!

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 34
Fihirana Vaovao p. 204
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094