Tano mafy, halalino - Hira Fanevan’ny Taonan’ny Finoana

Hira Fanevan’ny Taonan’ny Finoana
Tano mafy, halalino e, torio ny finoanao.
Tano mafy halalino e, iaino ny finoana marina
Finoana an’Andriamanitra Tokana Olona telo,
Ray, Zanaka, Fanahy Masina, Fitiavana Izy e!
No anarany, Aleloia

1 – Nahary ny tany aman-danitra, Ianao ô ry Ray ô,
Nahary anay olombelona ihany koa
Na ny hita, maso na ny tsy hita
Zaho mino e! fa Fitiavana Ianao
Ho fitiavana ihany koa zahay zanakao

2 – Mpamonjy anay tokoa Ianao Jesoa ô
Zanaka lahitokan’ny Ray
Notorotoronin’ny Fanahy Masina
Naterak’i Maria Virijiny
Tao an-tranon’omby fa Fitiavana Ianao.

3 – Nijaly tamin’ny andron’ny Pôntsy Pilaty
Nofantsiana tamin’ny Hazofijaliana, Maty ary nalevina
(Fa) Nitsangan-ko velona (Aleloia)
Tamin’ny andro fahatelo (Aleloia) 

4 – Niakatra  any an-danitra,
Nipetraka (eo) ankavanan’Izy Ray
Mbola ho avy amim-bohinahitra
Hitsara ny velona sy ny maty
Sambatra isika izay miambina azy (Aleloia)

5 – Izaho  mino ny Fanahy, Tompo sy Loharanon’Aina ;
Avy amin’ny Ray sy ny Zanaka
Niteny tamin’ny vavan’ny Mpaminany
Tsaohina sy omem-boninahitra
Miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka

6 – Zaho  mino ny Eglizy (iray )
Masina Katolika (Apostolika) Romanina
(Ny) Fiombonan’ny Olomasina
Ny Batemy fanalana ny ota
(Ny) fitsanganan’ny vatantsika ho velona
Ary ny fiainana mandrakizay.
AMEN (in-6)

Nampiditra Solofo74
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0844