Teny e, Teny e, Tenin'ny Tompo (P. Vonjy)

Teny e, Teny e, Tenin'ny Tompo (in-4)

 

Teny efa nisy tam-piandohana, Tenin’ny Tompo

Teny izay tao amin'Andriamanitra,

Teny nahariana an'izao tontolo izao,

Teny Fiainana ho an'ny olona,

Tenin'ny Tompo e !

Teny ilay tokana fahazavana, …

Teny hanazava ny olombelona, ...

Teny nahariana an'izao tontolo izao, …

Kanefa nolavin'ny olombelona, …

Tenin'ny Tompo e !

Ary ny teny dia tonga nofo, …

Nonina taty amintsika, …

Nibanjina ny voninahiny izahay, …

Ilay feno hasoavana sady marina, …

Tenin'ny Tompo e!

Teny nambaran'i Jesoa Tompo, …

Mandehana torio amin'ny olombelona, …

Izay hino izany dia ho voavonjy, …

Fa izay handà kosa hohelohina, …

Tenin'ny Tompo e!

 

Teny nambaran'i Jesoa Tompo, …

Tsy ary voasoratra avokoa, …

Fa ny finoana no hampianatra Azy, …

Teny fiainana ho tanterahina, …

Tenin'ny Tompo e! 

Nampiditra Solofo74
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1297