Fañahy maha iraika

Fañahy ô, Aiña mamelona, Añao e rô Aiña maha iraika,
Ampitsirio, ampanjakao aminay atoy ny tena fitiavana (in-2)

1. Hataminao Fitiavana
Ro iboahan’ny fitiava-namana
Atriheo añay Fagnahy ô
Apeo añay hanohitsa ny vono olo sy ny gidana,
Eko tsa ho mpanambaka ary tsa ho mpihantsy ady
Apeo añay Fañahy ô

2. Hataminao Fitiavana, ny hafaleaña sy ny Fiadañana
Atriheo añay Fañahy ô
Apeo añay hiady amin’ny otri-po sy fahasiahana
Tsa ho lavon’ny fitiavan-karena fa lilatsa
Apeo añay Fañahy ô

3. Hataminao Fitiavana ny hamora-po sy fahatsorana …
Apeo añay hifady ny ankasy sy fialoñana,
Atriheo añay Fañahy ô
Handresy ny avoñavoña ary ny endrikendrika …
Apeo añay Fañahy ô

4. Hataminao Fitiavana ny fahazotoana sy faharetana …
Apeo añay hanohitsa ny vingavinga ray amin-dreny,
Atriheo añay Fañahy ô
Hotoherinay koa roa ny tsaho sy ny vande …
Apeo añay Fañahy ô

5. Hataminao Fitiavana ro iboahan’ny tena finoana …
Apeo ny mpianakaby tsa hivadi-pañikeana,
Atriheo añay Fañahy ô
Hifady ny habadoana, ny hakamoana sy ny rehaka …
Apeo añay Fañahy ô

6. Hataminao Fitiavana ny fahalalana ny antoñony …
Apeo añay hifady ny sain-dratsy sy adiady,
Atriheo añay Fañahy ô
Hifady ny fijangajangana, tahak’izay ny fahalotoana …
Apeo añay Fañahy ô

7. Hataminao Fitiavana ny fahafahana tena marina …
Hotoherinay tokoa ny ratsy sy ny tsa rariny,
Atriheo añay Fañahy ô
Ary hioriña eto aminay ny fihavañana hataminao …
Apeo añay Fañahy ô

Nampiditra Solofo74
Fihirana Hasina p. 764
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0191