Ry Fanahy Masina ô izay mpankahery anay

1. Ry Fanahy Masina ô,
Izay Mpankahery anay :
Avia midina Ianao e !

Avia iasao ny tenanay,
ny ankohonanay, sy ny tanindrazanay

Mbola marefo sy malemy,
Tsy lavorary anie ny finoana anananay e!

Mazàna manitsaka ny didy voasoratr’i Moizy :
Ilay Didin’Izy Ray e !

Ry Fanahy Mpanazava saina
Sy Mpamelona, Mpizarazara soa :

Omeo ny herinao ‘zahay hiasa
Sy ho vonona hanohy an’i Jesoa.

2. ‘Zahay vahoaka eto an-tany,
Tsy ampy fanajana, noho ilay fitiavan-tena.
Ianao no andrasanay hatrany,
Handio ny hadalanay sy hanazava saina.

Ny mpitondra anay ety : 
Ampahalalao ombieny ny sitrak’Izy Ray
Entano ho toa an’i Maria :
Ilay Reny feno “ENY” :
modely hatramin’izay e !

 

3. Mba sasao madio ny loto,
Herezo sy tondrahy ny tany karakaina.
Ireo izay meloka ahitsio :
Omeo fo madio, tolory fahendrena.

Ny mangatsiaka hafanao :
Omeo fo vaovao sy saina lavorary.

Ny mpanota avereno,
Hitodika indray amin’Izy Ray Mpahary. 

Nampiditra Solofo74
Sokajy Fanahy Masina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152