Indro Ianao manasa anay

(Lili)

Indro Ianao manasa anay
Handray ny vatanao indray,
Mba ho vatana iray izaho sy Ianao.
Ianao mitoetra aminay,
‘Zahay hiezaka ny ho ao aminao,
Fa tianao ho tahafinay ry Jesoa
Izay toetra anananao.

Fa izay voalazanao dia inoako sy ekeko,
Izay mety avy Aminao, ho raisiko,
Ka ny vatanao izao, no ho sakafonay anio,
Satria sitrakao tokoa ry Jesoa
Ny hahavelona ahy, mandrakizay.

Menatra kosa izahay ry Jesoa.
Noho izahay tsy tia Anao,
Nefa Ianao manao izay be indrindra,
Noho ny fitiavanao anay;
Ka ny mofo atolotrao ry Jesoa
No antoky ny fiainanay,
Mba ho rakitra am-ponay tokoa,
Ho sakana hitandremanay ô ! ô ! ô !

Nampiditra admin
Sokajy Komonio
Antsao ny Tompo p. 349
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0515