Lazaiko marina

Nirina Ramalala

Tsy i Môizy no nañamia ny mana
Avy añan-dañitry, fa i Baba,
(Tsy mahafoy antsika ho maty mosary e)
Zeñy ny Mofon’Andriamanitra, avy añan-dañitry,
Mañamia fiainana mandrakizay e !

Lazaiko marina aminarô,
Fa raha mitady ‘zaho anarô,
Tsy ianarô nahita famantarana,
Fa noho ny sakafo namiako, .

Ambarako aminarô ankitiny, hoe :
Aza mitady ny haniñy mora levoño
‘Zaho mivatsy haniñy sy rano,
D’ilay maharitry mandrakizay.

Amiako isan’andro mofo zeñy,
Fôtony, zaho baka mofo haninarô io,
Raha mihina ny vatako ho voky,
Ary migiaka ny lioko, tsy hangetaheta.

Anarô nahita ‘zaho fa tsy nino,
Izay nohariana dia avia aminaha,
Manatoña aza misa hatak’andro,
Fa hañatoño ianao, tsy ho levona intsony.

Nampiditra admin
Sokajy Komonio
Antsao ny Tompo p. 347
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095