Hanatona Jesoa Tompo

Bernard Mbokony

E, e e e e oià ! e e e e e e e ià ! e e e !
Andeha isika hanatona Jesoa Tompo, andeha.
E, e e e e eià, e e e ià e e e !
Hiraka hifaly sy hidera azy, andeha !

Andeha isika e, fa Izy niantso, nikaiky antsika,
Handray ny Vatany sarobidy, .

Ny rany nalatsany ho antsika,
Nandiovany ny fahotantsika,
Hampihavana antsika amin’Andriamanitra.

Andeha isika e ! ny fitiavanao ny olombelona,
Namoizanao ny ainao sarobidy,
Nietry mitovy amin’olombelona.

Tsy vitan’izany ry Jesoa Tompo.
Ny mofo sy divay noraisinao,
Nataonao ho tonga Vatanao.

Andeha, andeha antsika e !
Sambatra izay mino Anao,
Fa Ianao Andriamanitra Avo indrindra.

Nampiditra admin
Sokajy Komonio
Antsao ny Tompo p. 346
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0232