Mofon’ny fiainana ny Eokaristia

Edouard Tongavelo

Fa tamin’izy efa hatolotra hijaly,
Ka nañeky an-tsitra-po e e i a !
Aveo nangala ny mofo, nisaotra
Nankasitraka Zañahary e e e e i a !
Nirasarasa ka nañamia ny mpianany
Nañano hoe e e i a !
Samia mangala sy mihinaña amin’ity anare e e i a !
Fa vatako ity e e i a ! Fa vatako ity
Hamiako anarô e e i a !

Mofon’ny fiainana ny Eokaristia
Haniñy mahaveloño ô !
Mahaveloño, mahaveloño ô !
Namboarin’i Kristy ho antsika jiaby e e e i a !

Mofon’ny Anjely ny Eokaristia,
Haniñy e e ! haniñy mahaveloño.

Môfo Vatsy Masiñy ny Eokaristia,
Haniñy e ! haniñy mahaveloño.

Karaha zeñy koa rahefa avy nisakafo e e i a !
Aveo nangala ny Kalisy Izy,
Nisaotra indraiky e e i a !
Nisaotra nankasitraka Zañahary e e e e i a !
Sady nañamia azy ny mpianany nañano hoe:
Samia mangala sy migiaka e e i a !
Amin’ity anarô e e i a !
Fa kalisy misy ny Rako ity, ... E e i a !
Lio ô ô ! Lio iorenan’ny fanekem-pihavanana.
Ny fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay
Halatsaka ho Anarô, halatsaka ho anarô
sy ho an’ny besinimaro ho famelana ny fahotana
Manaova karaha zeñy e e i a !
Ho fahatsiarovana, ho fahatsiarovana ‘Zaho e e i a !

4 - Mofo mampivondrona ny Eokaristia,
Haniñy e e ! haniñy mahaveloño.

5 - Mofo avy any an-danitra ny Eokaristia,
Haniñy e e ! Haniñy mahaveloño ô !

Nampiditra admin
Sokajy Komonio
Antsao ny Tompo p. 345
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087