Hatramin'ilay maraina nisantaranay ny fiainanay

1. Hatramin'ilay maraina nisantaranay ny fiainanay e
Dia miara-monina aminay tokoa Ianao, ry Jespa Tompo!
Fa sitrak'Izy Ray ny namangianao ny taninay e
Tsy handalo ho mpicvahiny, f'hiara-dalana aminay tokoa

Fa fantatrao, Jesoa, ny fijalian'ny olombelona e
Dia nohamaivaninao, niainanao sy nohamasininao e
Nangoninao indrindra ireo madinika hotsimbininao e
Ireo fanosihosy, ireo atao tsinontsinona

'Ndreto izahay fa nantsoinao
Mba hizara mofo ho an'ny vahoakanao
Hanome sy hahafoy, ny eran-tanana, Jesoa!
Tsy miasa irery anefa izahay,
Fa satria Ianao no antoka sy hery,
Indro Ianao. Mahefa be ny asanay, ry Jesoa!
Eran'ireo ora sy androm-pifaliana
Eran'ny kinasa amam-pahoriana
Eo Ianao miara-dalana aminay!

2. Mavesatra tokoa, ka mila hahakivy herim-po
Ny andro diavinay vesaran-geja aman'olana
Manonja ny anio, ny ampitso fantatrao izay hanjo.
Ny fara-tazany toa rako-tselatra aman-kotroka

Mangataka izahay mba tsy hiraviray tanana
Hanampy ny olonao, tsy hitarain-tanam-miempaka
Ampio 'zahay, Jesoa, tsy hitady tmin-kasasarana
Hizara an-kafaliana, hampanjaka fahamarinana.

Nampiditra admin
Sokajy Fiadanana
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089