Ampanjakao

T. Julie Helmine

Ampanjakao ilay fitiavana
Sy fiadanana izay nomeko anareo.
Izany indrindra no amantarana.
Fa tena mpianatro tokoa ianareo.

Ny fifankatiavana no ilain'
Ilay ao ambony hiainantsika zavaboary izay nohariany.
Mifankatiava raha velon'aina ( ô ! rey lahy ! ).
Rehefa maty tsy misy mankaiza ( ô ! rey lahy ! ).

Didy tokana no nomen'ny Ray antsika,
Tiany hiainana eo amin'ny fiainantsika;
Tsy misy avakavaka ny amin'izany ( ô ! rey lahy ! )
Atsika rehetra ambonin'ny tany ( ô ! rey lahy ! ).

O ! rey lahy ! O ! rey lahy (in-2)
Farany: Mifankatiava raha velon'aina ( ô ! rey lahy ! )
Atsika rehetra ambonin'ny tany ( ô ! rey lahy ! ).

Nampiditra admin
Sokajy Fiadanana
Antsao ny Tompo p. 335
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0973