Mifankatiava

Romuald

Nohavaozin'i Kristy ho teny tokana (teny tokana),
Ho teny tokana ny Didy Folo nomen'i Ray.
Mba tsy hihoam-pefy ny vahoakan'ny Tompo
Dia nomeny (dia nomeny) didy iray fototra,
Dia mitiava toy ny nitiavako anareo à à!

Mifankatiava f'izany no hafatra (2).

Mba hanehoana ny firaisantsika e ! (6)
F’izany no didy iray tena mahery e !
Hoentanin’ny fitiavan-joky re isika e !
Hanitatra ilay Fanjakan’i Ray,
Ny fitiavana no loharanom-pamonjena
Aoka ho samy tia re isika e ! (2).

Mba hanehoana ny maha-zanaka antsika e !
Zanaka miombona amin'ny Ray daholo isika
Hanangana ilay Jerosalema Vao,
‘Zay lapan’ny fitiavantsika,
Ny fitiavana no mahavonjy ny rehetra
Aoka ho samy tia re isika e (2).

Nampiditra admin
Sokajy Fiadanana
Antsao ny Tompo p. 334
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091