Didy vaovao no omeko

Julien Rakotoarinosy

Didy vaovao no omeko anarô,
Didy masina tsy lany hanitra :
Mifankatiava anarô,
Karaha nitiavako anarô.

Fihavanana nentin-drazana e ia !
Nôhavaozina, nohamasinina e !
Mifanaraka tsara amin'ny didy tôkana e ia !
Mifankatiava anarô.

Atsika olombelona e ia !
Nohariana hifampiankina e !
Hifamela sy hifanôhana e ia !
Fa samy zanak'Andriamanitra.

Atsika mianakavy e ia !
Iray aina, iray vatana e !
Voahantso mba hifankatia
Fa samy mpianatra Jesoa Tompo.

Nampiditra admin
Sokajy Fiadanana
Antsao ny Tompo p. 333
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0427