ASEHONAY ISAN'ANDRO

Omer

Asehonay isan'andro ô !
Fianakaviana mifankatia izahay e !.
E ! Ia e !

Anao Zanahary : Babanay.
Jesoa Kristy : Zokinay.
Ny Fanahy Masina : mampiray.
Ny fitiavana : iainanay.
’Zahay jiaby e, mianakavy e !.

Ny Eglizy Fianakaviana.
Ny Eokaristia no mamelona azy.
Lambanana araiky ôlo jiaby.
Izay iray vatsy, iray aina.
’Zahay jiaby e, mianakavy e !.

Ny fihavanana tsy vidina.
Ny tranonay tsy mialon-jafy.
Izay iray trano korana araiky.
Tsy misy atao an-kilabao.
’Zahay jiaby e, mianakavy e !.

Famaranana

Na i Toto na i Kalo.
Na i Jao na i Mbôty.
Na Rabe na Rasoa.
Tsisy zanak'i kalohafa.
’Zahay jiaby e, mianakavy e!

Nampiditra admin
Sokajy Fiadanana
Antsao ny Tompo p. 331
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092