Fiadanana

Omer

Fiadanana ! Ho amintsika !
Fihavanana ! Ho amintsika !

Fa mampifankatia antsika
Samy zanak'olombelona
Ny fihavanana mamintsika,
Fiadanana, fifankatiavana;
Fa mampifankatia antsika,
Fihavanana avy amin'i Kristy
Samy zanaky ny Ray,
Ilay fitiavana tapitr'ohatra.

Fa mampifankatia antsika
Samy zandrin'i Jesoa
Ny fihavanana mamintsika,
Fiadanana, Fifankatiavana;
Fa mampifankatia antsika,
Fihavanana avy amin'i Kristy
Amin'ny herin'ny Fanahy
Ilay Fitiavana tapitr'ohatra.

Nampiditra admin
Sokajy Fiadanana
Antsao ny Tompo p. 331
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088