Fiadanana

Bema

Fiadanana, ho antsika mianakavy e !
Fiadanana avy amin’ny Tompontsika !

Fa tsy avy amin’izao tontolo izao,
Fa fiadanana omen’ny Fanahy, .

Ny fiadanako no avelako ho anarô,
Ny fiadanako no amiako anarô.

Mba rario am’zay trano idiranao,
Mba zarao amin’izay mandray.

Ny fiadanako manafaka alahelo,
Hanasitrana ny tra-pahoriana.

Ilay avy amin’ny Hazo Fijaliaña
Hampiadana anarô mifankatia.

Ny fiadanako dia fahafoizañ’aiñy.
Porofon’ny fara-fitiavaña ny olon-tiaña.

Ny fiadanako mameno hafaliana,
Hafaliana tsy resin’ny fahavalo.

Ny fiadanako, manomboka eto an-tany,
Haharitra mandrakizay any an-koatra.

Nampiditra admin
Sokajy Fiadanana
Antsao ny Tompo p. 329
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.043