MANDEHANA AMIN'NY FITIAVAN'I KRISTY

Bema

Mandehana amin'ny fitiavan'i Kristy e ia!
Mba ho sorona manitry e, hamonjy antsika e ia !

Mandehana amin'ny fitiavana - (hamonjy antsika e ia !)

Tsy antsika no tia an-dRañahary e e !,
Fa Izy no tia antsika taloha,
Tiavo ny Tompoko Ndrañahary e !
Mitiava namana karaha aiñinao.

I Jesoa nanolotra ny ainy ho antsika e e !
Ho famantarana ny tena fitiavana,
Antsika ka tsy maintsy mahafoy ny aintsika e !
Ho an'ireo tapaka sy namantsika.

Mifankatiava koa ianarô jiaby e e !
Miraña nitiavako anarô.
Ekentsika fa i Jesoa no Zanakan-dRañahary,
Ilay Ndrañaharin'ny fitiavana.

Aza mba misy mivolaña am-bava fotsiny
Fa mitiava amin'ny asa ndraiky amin'ny fahamarinana.
Azy araiky fô voninahitra ndraiky dera,
Dera tsy miova omaly sy niany é andraka mandrakizay.

Nampiditra admin
Sokajy Fiadanana
Antsao ny Tompo p. 328
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118