Rainay

Laurence

Tompo ô ! ampianaro mivavaka izahay e !
Tahaka ny nampianarin’i Joany,
Ka sahy miantso hoe : Ray ô !

Rainay any an-danitra,
Hohamasinina anie ny Anaranao,
Ho tonga anie ny Fanjakanao,
Ho tanteraka anie ny sitraponao,
ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro;
Avelao ny fahotanay,
Tahaka ny namelanay izay nanao ratsy taminay;
Aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay,
Fa manafaha anay amin’ny ratsy.

Fa anao ny Fanjakana sy ny Hery,
Anao ny voninahitra mandrakizay.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 326
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087