Fihobiana : Teraka Ianao Jesoa

Georgette Rasoatsara

Teraka Ianao Jesoa, ka tonga tetý,
Nitory sy nanambara fitia,
Novonoina, nofantsihana
Ka maty tamin’ny Hazofijaliana;
Velona Ianao ka tafatsangana indray,
Niakatra an-danitra ankavanan’ny Ray,
Ho avy hitsara Ianao, tany aman-danitra
Ka andrasanay ny hiavianao amim-boninahitra.

Nampiditra admin
Sokajy Fihobiana
Antsao ny Tompo p. 322
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102