Asandratray ho Anao, ry Ray

Athanas MAZAVA

Asandratray ho Anao ry Ray,
Ny kalisy misy ran’i Kristy.
Atolotray ho Anao ry Ray,
Ny vatan’ny Tompo ô !

Mahatsiaro ny nahafatesany izahay e !
Mankalaza ny nitsanganany e e !
Miandry ny hiaviany izahay e e!

Izy ho avy am-boninahitra. (in-2)

Jesoa Tomponay, nijaly sy maty e !
Hateloaña tao am-pasaña.
Veloña Izy e!

Izy ho avy am-boninahitra. (in-2)

Jesoa Tomponay, nitsangana tamin’ny maty,
Niakatra an-danitra any,
Mbola ho avy Izy e !
Izy ho avy am-boninahitra. (in-2)

Nampiditra admin
Sokajy Fihobiana
Antsao ny Tompo p. 322
Fihirana Dera p. 512
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089