Yaveh Sabaoth

Athanas MAZAVA

Navy ‘zahay navy eto Baba e ià !
Navy mañatoño Anao ô ! Yaveh Sabaoth !
Sañatria tsy habezan-kariaña Baba e ià !
Fa nasesiky ny fitiavaña, Yaveh Sabaoth !
Sañatria tsy fahamendrehaña Baba e ià !
Na hatsarañan' ny toetry e, Yaveh Sabaoth !
Sosoko famangiaña tsy mahatôkaña Baba e ià !
‘zahay mitondra fañatitry e, Yaveh Sabaoth !
Ny fañatitray e e e ! Mba ovay ho soron'i Jesoa ô !

Mofo ndraiky divaiñy e, mba ovao soron'i Jesoa ô !
Ny fiainanay jiaby, mba ovao soron'i Jesoa ô !
Ireñy tebitebinay, mba ovao soron'i Jesoa ô !
O à Baba e e mila rady aminao ô ! (in-2).

Ny fonay feno alahelo, mba ovao soron'i Jesoa ô !
Ny fonay feno hafaliaña, mba ovao soron'i Jesoa ô !
Ny asa kely mba vitanay, mba ovao soron'i Jesoa ô !
O à Baba e e mila vonjy aminao ô !

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Antsao ny Tompo p. 309
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088