Atolotray Anao

Jean de Dieu Rakotohavana

Atolotray Anao, ry Ray,
Ny asantananay zanakao,
Manatrika eto an-tranonao !
Mba raiso re, ry Tompo ô !

Io divay io, miampy rano kely,
Ovay ho ran’Ilay Zanak’ondry,
Mpamonjy anay, Malalanay !
Mba raiso re, ry Tompo ô !

Ny mofo izay arosonay,
Ovay ho vatan’ny Zanakao,
Ho sakafon’ny fanahinay !
Mba raiso re, ry Tompo ô !

Ny fiainanay rehetra izao,
Atolotray mba ho tantananao.
Ka tsy handao ny lalanao !
Mba raiso re, ry Tompo ô !

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Antsao ny Tompo p. 308
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096