Zañahary e !

Marc

Zañahary e ia ! navy eto ny zanakao
Hañamia hasiñy ny añaranao
Ary koa hatolotro amin-kafaliaña
‘Reto asan-tañanay aminao
Na tsy mendrika aza izahay
Mañatriky eto mikaiky ny añaranao
Mba raiso re ireto fañatitray
Ireto fañatitray e e ia !
Mpitarika : o ia e e ia e ! (in-2).

Vahoaka : Ankasitraho re a Baba.

Ny mofo sy divaiñy e !
‘Zay hatolotray ho Anao
‘Zay vokatr’asan-tàñanay e !
Fa amim-pitiavaña tokoa e ia !
N’añoloranay zeñy aminao e ia !
Ankasitraho e ia (in-2).

O ia e ia e!
Ankasitraho re a Baba
Ny asa vitanay e !
‘Zay aterinay aminao
‘Zay vokatrin’ny hatsembohanay
Fa am-boninahitra tokoa e ia !
N’añoloranay zeñy aminao e ia !
Ankasitraho e ia (in-2).

O ia e ia e !
Ankasitraho re a Baba
Ny ezakay isan’andro
‘Zay hasandratray ho Anao
‘Zay vokatrin’ny firaisanay e !
Fa am-pañajaña tokoa e ia !
N’añoloranay zeñy aminao e ia !
Ankasitraho e ia ! (in-2).

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Antsao ny Tompo p. 306
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106