Mba raiso re ry Ray ô

Laurence

Mba raiso re ry Ray ô !
Atolotray ny mofo;
Ovay ho Vatan’i Jesoa Tompo ô !
Hivelomanay sy hankahery anay e !

Mba raiso re ry Ray ô !
Mba raiso re ny divay;
Ovay ho ràn’i Jesoa Tompo ô !
Hamonjy anay vahoakanao e !

Mba raiso re ry Ray ô !
Ka hamasino izahay;
Ny fiainanay no atolotray ô !
Raiso re na tsy mendrika aza e !

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Antsao ny Tompo p. 305
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091