ATOLONTSIKA (ATOLOTSIKA) ANDRIAMANITRA

André Besabotsy

Atolontsika Andriamanitra,
E e e e amin-kafaliana.
Atolontsika Andriamanitra
E e e mba ho famonjena.

E e e e ! sitraka ho an'ny Tompo. Ia e e e !

Avy zaho manatono tranonao o ia !
Avy zaho mitondra ny anjarako o !
Ia e e ia. (in-2)

Avy zaho misaotra ny anaranao o ia !
Tonga zaho manatitra ny asako o !
Ia e e ia. (in-2)

Maro ny asa mandreraka isan'andro o ia !
Indro ny asako sy ny mba zakako o !
Ia e e ia. (in-2)

Aza ariana fa sitrako ho Anao o ia !
Aza ariana fa iny ny ananako o !
Ia e e ia ! (in-2)

Na dia tsy mendrika hankany aminao o ia !
Mba raiso ry Tompo fa tolotra tanako o !
Ia e e ia ! (in-2)

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Antsao ny Tompo p. 305
Karine Dera p. 423
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201