Atolotro Anao

André Besabotsy

Atolotra Anao ry Tompo,
Ireto fanatitray ireto,
Atolotray an-kafaliana
Sy am-panajana Anao.

Raiso, ny mofo
Raiso, ny divay
Raiso, ny fiainanay
Raiso, e e e ia !

Ny asalohanay ry Tompo,
Atolotray Anao;
Mba ovao ho hafaliana,
Hahafahanay manompo Anao.

Ny fijalianay ry Tompo,
Atolotray Anao,
Akambanay amin’i Jesoa
Hiombonanay Aminy.

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Antsao ny Tompo p. 304
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091