Indro 'zahay zanakao

Gérard Razafindramaro

Asandratry ny Pretra ô, ovay ho vatanao e !
Ny asan-tananay e ! ovay ho vatanao e !

Indro izahay zanakao mitondra ny fanatitray,
Atolotray Anao, ho sorom-piderana Anao.

Ny mofo izay atolotray dia asan-tananay,
Ny divay asandratray dia vokatry ny taninay.

Esory koa ny fahalotoana, diovy indray ny fonay,
Fa mitalaho ny fahadisoanay.

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Antsao ny Tompo p. 302
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0372