Na mbola tsy mangataka

Jean Louis Tombolaza

Na mbola tsy mangataka izahay ry Ray ô !
Efa fantatrao izay ilainay (Mt 6, 8)
Velom-panantenana anao izahay
Mihanta aminao re izahay.

N'aiza n'aiza no iangonan'ny olona roa na telo
Amin'ny anaranao ry Ray ô !
Eo afovoanay tokoa Ianao (Mt 18, 20)
K' henoy re 'zao vavakay izao.

Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny,
F' azy ireo ny fanjakan'ny lanitra (Mt5, 10).
Aza avela ho very fanantenana izahay,
K'henoy re 'zao vavakay izao.

Tsy tonga ho an'ny olo-marina Ianao hoy Ianao,
Fa tonga ho anay mpanota hibebaka (Mt 9, 13)
Ka omeo anay ny Fanahy Fibebahana,
K'henoy re 'zao vavakay izao.

Nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao 'zahay
Ka tsy mendrika atao hoe zanakao intsony,
Ka mba ataovy anisan'ny Mpanomponao (Lk 15, 18-19),
K'henoy re 'zao vavakay izao.

Nampiditra admin
Sokajy Ranombavaka
Antsao ny Tompo p. 295
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0264