Ray ô! ndreto re izahay zanakao Ray ô ! mitalaho

Athanas MAZAVA.

Ray ô! Ray ô! ndreto re izahay zanakao
Ray ô ! Ray ô ! mitalaho Aminao, Aminao Ray ô !

Mivavaka e izahay Ray ô !
Ho an’i Papa, Eveka, Pretra
Ampionao isan’andro izy ireo
Hahatontosa ny adidiny
Izany no vavakay Ray ô !

Mivavaka e izahay Ray ô !
Ho an’ny tanora eran-tany
Tantano sy arovy hatrany izy ireo
Tsy hivadika Aminao
Izany no vavakay Ray ô !

Nampiditra admin
Sokajy Ranombavaka
Antsao ny Tompo p. 293
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092