Zaho mino an’Andriamanitra

(Michaël)

Zaho mino an’Andriamanitra e !
Nanao ny zava-drehetra anao zaho mino
Zaho mino an’Andriamanitra e!
Namonjy ny olon-drehetra anao zaho mino.

O O ie e e (Zaho mino) 2 x.

1 - Zaho mino ny Ray ao ambony e !
Nanao ny lanitra sy ny tany
Sy ireo zavatra rehetra
Nataonao mba hiainanay.

2 - Zaho mino ny Zanaky ny Ray.
Naka nofo sy nidina tety e !
Naterak’i Maria Virijiny e !
Nalefany izy mba hamonjy antsika.

3 - Zaho mino an’i Jesoa nampijaliana
Maty ka velona afaka hateloana
Niakatra any an-danitra izy e e !
Mipetraka ankavanan’ny Ray e !

4 - Zaho mino ny Fanahy Masiny e !
Ny Eglizy masina katôlika
Izay naorin’i Kristy e !
Ny batemy manala ny ota.
Sy ny fiainana mandrakizay e !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 287
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0709