Zaho mino

(Nirina Ranoelison)

Zaho mino, zaho mino ô !
Zaho mino an’Andriamanitra
Andriamanitra Ray mahefa
Nanao ny lanitra sy ny tany
Sy ny zavatra rehetra na ny hita maso na ny tsy hita
Zaho mino ô ia !

Zaho mino an’i Kristy e !
Ilay Zanany lahy tokana
Izy tonga olombelona
Fa iray fomba amin’ny Ray
Naka nofo tamin’i Maria o !
Dia Maria lay virijiny
Zaho mino, zaho mino o !

Zaho mino, zaho mino o !
Zaho mino ny Fanahy Masina
Avy amin’ny Ray sy ny Zanaka
Tompo sy loharanon’aina
Mpakahery ny Fanahy Masina
Mendrika haja sy voninahitra
Zaho mino ô ia !

Zaho mino, zaho mino ô !
Mino zaho Andriamanitra ô !
Zaho mino, zaho mino, zaho mino
Mino mafy izay voalazanao.

Mino zaho Andriamanitra ô !
Mino mafy zay voalazanao
Zaho mino, zaho mino, zaho mino
Zaho mino, zaho mino ô !

Zaho mino ny Eglizy masina
Katôlika Apôstôlika
Zaho mino ny batemy tokana
Zay manala ny fahotana
Miandry ny fiainan-ko avy
Dia ilay fiainana any an-koatra
Zaho mino, zaho mino ô ia !

Zaho mino, zaho mino ô !
Zaho mino an’i Kristy
Nofantsihana ho antsika izy e !
Teo ambonin’ny Hazofijaliana
Fa nitsangan-ko velona izy
Tamin’ny andro fahatelo
Zaho mino, zaho mino ô !

Zaho mino, zaho mino ô !
Zaho mino an’i Kristy
Niakatra any an-danitra izy e !
Ho eo an-kavanan’izy Ray
Mbola ho avy amim-boninahitra
Hitsara ny velona sy ny maty
Zaho mino ô ia !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 286
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101