Zaho mino an’Andriamanitra

(Marcel RASAMY)

Zaho mino an’Andriamanitra Ray mahefa
Ray Zanaka sy Fañahy,
Zañahary tôkaña olo telo, zaho mino ô !

Mpiventy : Zaho mino ô ia ! zaho mino ô !

Vahoaka : Zaho mino ô ia ! zaho mino ô!

Zaho mino an’Andriamanitra e e ia !
Zay mahefa ny raha jiaby
Nañano lanitra sy ny tany
Na ny hita na ny tsy hita
Mino teña mino ô ia !
Mino ô ià a !

Zaho mino an’i Kristy e e ia !
Talañôlo tôkaña Zañahary
Nateraka Izy fa tsy natao ô ia !
Miray fomba amin’ny Baba e !
Mino teña mino ô ia !
Mino ô ià a !

Jesoa Zanak’i Maria
Miray fomba toa antsika
Efa nitsangana tamin’ny maty e ia !
Mipetraka eo an-kavanan’ny Ray e !
Mino teña mino ô ia !
Mino ô ià a !

Zaho mino ny Fañahy Masiña e ia !
Ny Eglizy masiñy katôlika e !
Zaho mankato ny Batemy tokana e e ia !
Sy ny fiombonana amin’ny Ray e e ia !
Mino teña mino ô ià !
Mino ô ià a !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 282
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092