Mino izany andre va ?

(Bernardin)

‘Zaho mino an’Andriamanitra e !
’Zay mahefa ny raha jiaby e ia !
Mino ô, ‘zaho mino ô ia !
‘Zaho mino an’Andriamanitra e !
Ray, Zanaka sy Fanahy e ia !
Mino, ‘zaho mino ô ia !

Izy ilay Zañahary tôkana a an !
Ilay mahefa ny raha jiaby,
Nanao lanitra ndraiky tany e ia !
Ary ny zavatra rehetra (zava-drehetra)
Na ny hita maso na ny tsy hita,
Mino izany andre va sa tsy hino o o ia ?
Mino zaho mino ia !

Jesoa Kristy Tompo tokana an an !
Ilay talañolon-Jañahary,
Nateraka izy fa tsy natao ô ia !
Iray fomba amin’ny Babany Izy,
Satria Izy Andriamanitra.
Mino izany andre va sa tsy hino ô ia ?
Mino...

Kristy Zanaka Zañahary e ia !
Zañahary fahamarinana,
Izy Ilay nofantsihana iny e !
Nijaly sy maty ho antsika,
Teo ambonin’ny hazo fijaliana.
Mino izany andre va sa tsy hino ô ia ?
Mino...

Kristy Zanaka Zañahary e !
Izy Ilay nofantsihana iny,
Dia natsangan’Andriamanitra e ia !
Eo ankavanan’ny Babany Izy,
Mino izany andre va sa tsy hino ô ia !
Eo ankavanan’ny Babany Izy,
Mino izany andre va sa tsy hino ô ia ?
Mino…

Zaho mino ny Fanahy Masina e e e !
Izy ilay Olona fahatelo,
Miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka e ia !
Zaho mankato ny Batemy tokana,
Izay manala ny fahotana.
Mino izany andre va sa tsy hino ô ia ?
Mino...

Eglizy tokana sy masina a an !
Katôlika Apôstôlika,
Ilay nahorin’i Kristy e ia
’Zaho miandry ny fiainan-ko avy,
Ny fiverenan’ny Tompo am-boninahitra,
Mino izany andre va sa tsy hino ô ia !
Mino...

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 278
Karine Dera p. 529
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.039