E E E ! Izaho mino

(Omer

E e e ! ia, izaho mino, Andriamanitra Ray e !
Zanaka sy Fanahy Masina e !
Andriamanitra tôkana e ! Ndrefa ka olona telo.

Vahoaka : Izaho mino ô ô !

Andriamanitra Ray e e e !
Mahefa ny zava-drehetra,
Nanao ny lanitra sy ny tany,
-- Ary ny zava-drehetra
-- Na ny hita na ny tsy hita...
E ! iea e ! izaho mino ô ô ! ( in-2 ).

Jesoa Kristy Tompo,
Zanaka Lahitokan'Andriamanitra,
-- Teraky ny Ray e !
-- Talohan'ny taona rehetra.

Andriamanitra avy amin'Andriamanitra,
Fahavazana avy amin'ny Fahazavana,
-- Andriamanitra marina
-- Avy amin'Andriamanitra marina.

Nateraka izy fa tsy natao,
Iray fomba amin'ny Ray;
-- Ary Izy no nahariana
-- Ny zavatra rehetra.

Isika olombelona
Sy ny famonjena antsika,
-- No nidinany e e !
-- Avy any an-danitra.

Ary naka nofo
Tamin'i Maria Virjiny,
-- Noho ny herin'ny Fanahy Masina,
-- Ka tonga olombelona.

Nofantsihina Izy,
Tamin'ny hazofijaliana,
Ho antsika indray koa,
-- Tamin'ny andron'i Pontsy Pilaty,
-- Nijaly ary nalevina.

Nitsangan-ko velona izy e e e !
Tamin’ny andro fahatelo,
Voalazan'ny Soratra Masina;
-- Hiakatra any an-danitra
-- Ho eo an-kavanan'ny Ray.

Fa mbola ho avy e e e !
Amim-boninahitra indray e !
Hitsara ny velona sy ny maty;
-- Ary tsy hanam-pahataperana
-- Ny Fanjakany.

Izaho mino ny Fanahy Masina,
Tompo, Loharanon’Aina,
Avy amin'ny Ray sy ny Zanaka,
Tsaohina sy omem-honinahitra,
-- Miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka,
-- Ary niteny tamin'ny vavan'ny Mpaminany.

Izaho mino ny Eglizy e e e !
Iray, Masina, Katôlika
Ary Apôstôlika
-- Mankato ny Batemy tokana aho,
-- Ho fanalana ny fahotana.

Ary izaho miandry e e e !
Ny hitsanganan'ny maty e !
-- Sy ny fiainan-ko avy. Amen !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 277
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107