Zaho mino an’Andriamanitra tokana

(Bema)

Zaho mino an'Andriamanitra tokana e !
Ny Ray, ny Zanaka, Ny Fanahy Masina e !
Zañahary araiky fa olo telo
Zaho mino.

Vahoaka : Zaho mino.

Mino ny Ray mahefa ny raha jiaby e !
Izay nañano ny langitry sy ny tany,
Ireo zaka hita na ny tsy hita maso.
Mino an'i Jesoa Kristy Tompo tokana :
Andriamanitra marina avy amin'Andriamanitra marina,
Fahazavaña avy amin'ny fahazavaña,
Andriamanitra marina avy amin'Andriamanitra marina.

Nateraky ny Ray izy fa tsy natao,
Nanaña fomba itovizany amin-dRainy,
Izy no nitsaboaña ny zaka jiaby.
Atsika olombelona sy ny famonjena antsika
No anton-diany nidinany avy an-danitra.
Naka nofotro tao amy Maria
Noho ny herin'ny Fanahy Masina mahefa,
Ka tonga olombeloño mitovy amintsika.

Nofantsihana tamin'ny Hazofijaliana,
Nijaly, naleviñy faha Pontsy Pilaty.
Nitsangan-ko veloño ny andro faha-telo,
Voalazan'ny Soratra Masina mialoha.
Nirasa vôlaña dia niakatra any an-danitra.

Dia nipetraka, mipetraka eo an-kavanan'izy Ray
Mbola ho avy indraiky hiseho amim-boninahitra
Izy no hitsara ny veloño sy ny maty (in-2)
Ny fanjakany tsy hanam-pahataperana. Amen !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 275
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0189