Ny vao afafy, hoy Jesoa

1. Ny voa afafy, hoy i Jesoa
Dia natao hamelona aina ny fitsiriny
Ka tsy maintsy tafalevina ao anaty tany aloha
Izay vao afaka handravina!
Ary moa tsy nanambara taminao va i Jesoa
Fa ny fasana hilevenany
Telo andro monja ihany no hihazona ny Nofony,
Ka Fianan-tsy ho lo no nitrebona avy tao.

2. Ity tsimoka ity
Dia natao hamelona aina ny salohiny
Ka tsy maintsy mbola hongotana eny an-taninketsa aloha
Izay vao afaka hamokatra!
Ary moa tsy nanambara taminao va i Jesoa?
Fa ny tenany hofongorana
Sy hoesorina tsy hisy ety an-tanintsika velona
Ka ny Fanjakan'ny Ray tamin'izay, no nitokanana.

3. Ary ity salohy ity
Dia natao hamelona aina ny olombelona
Ka tsy maintsy ho velezina ary taomina an-tanàna
Izay vao entina hozaraina.
Ary moa tsy nanambara taminao va i Jesoa
Fa ny tenany hokapohina,
Sy ho entina hovonoina, dia hitsangana ho velona

Ary vatana aman-dra ho an'ny firenen-drehetra
Ho an'ny firenen-drehetra

Nampiditra admin
Sokajy Komonio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225