Aleloia, masiñy Zañahary

(Mathieu)

Aleloia e e ia ! aleloia !
Aleloia e e ia ! masiña .

Masiñy Zañahary e !
Tandriñeso ny Tenin-Jañahary e !
Fô teny masiñy mampiaiñy e !
Teny mandonaka ny tany e !

Izy niavian’ny masôva
Mañazava ny fiaiñantsika
Fôntry tatô raha manjary e !
Niasa tañatin’ny herinandro.

Zavaboary tsy voatanisa
Biby sy raha maniry e !
Izy nañano ny ôlombeloño
Vita karaha vajihinanjy e !

Masiñy Zañahary e ia !
Jesoa Vaovao Mahafaly e !
Niasa nitory ny Evanjely e !
Tsy nitaraiñy disaka samba hely e !

Antsika ôlombeloño hafahafa
Vorery mahita raha tsara
Ke maty ilay Tompon’ny aiñy e !
Ilay nanangaña an’i Lazara .

Tônga ny andro faha telo ô !
Foaña ilay traño manara
Veloño i Jesoa tompon’ny aiñy e !
Veloño hitan’i Madeleine e !

Ny Apôstôly tsiaraikiaraiky e !
Nino sintry nahita maso ô !
Ka raiso ary ny Tenin-Jañahary e !
Hafafy ao am-pô hañadio fañahy e !
Masiñy Zañahary e ia !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 266
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203