Ny fitiavan'ny Ray - Tsy avelako ho raraka an-tany

1. Tsy avelako ho raraka an-tany re, ry Tompo ô
Tsy ho latsaka an-tany ny fitiavanao re
Fa ho kolokoloiko sy ho tambazako
Fa tena lafo vidy sy mahaveloño
F nanadio anay tamin'ny fahotana Izy e,
Nanafaka anay tamin'ny fankahalana
Naniraka anay hifankatia Izy e
Nampianatra anay hifamela heloka ô, E e e

Rakotry ny haizina mahafaty ny tany
Fa indro mipoitra ny fitiavan'ny Ray
Ho fanilo manazava ny fiainana an-tany;
Mitantana antsika tsy ho solafaka
E e e, ia e, e, e ia!

2. I Jesoa no tena fitiavan'ny Ray
Nanao izay rehetra azony natao Izy e
Nanoro antsika ny sitrapon'ny Ray
Hita ao ny tena fiaraha-monina
Niaina izany fifankatiavana izany
Miorina amin'ny fanetren-tena
Ka nahafoy ny ainy ho an'ny olona Izy e
Nandatsaka ny rany ho famonjena

Tsy hadalana izay sanatria
Fa mariky ny fony tena tia
Nahafaty an'i Kristy Jesoa tena tia 
sy Zoky mpanasoa, 
E e e, ia e, e, e ia!

Nampiditra admin
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168