Voninahitra anie

(Auguste Roby)

Voninahitra anie ho Anao ry Andriamanitra !
Añy an-tampon'ny lañitra e e ià !
Ary fiadanana ho antsika olombeloño ô !
Ety ambony tany,
Noho ny haben’ny famindram-pony e ià !

Midera Anao ‘zahay ry Tompo Masiñy e e ià !
Mitsaoka Anao sy mihoby ny hasinao ô ià !
Misaotra Anao ry Tompo Zañahary.

Mankalaza Anao ‘zahay ry Zanak’ondry masiñy e e ià !
Afaho koa ny hadisoañanay jiaby e ià !
Mamindrà fo ry Jesoa Zokinay.

Anao zaraiky ny haja ndreky voninahitry e ià !
Mipetraka eo an-kavanan-Jañahary e ià !
Miaraka amin'ny Fanahy Masiñy e ià !

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 252
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0641