Voninahitra

(Georgette Rasoatsara)

Voninahitra (in-2),
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra e !
Voninahitra (in-2), any an-tampon’ny lanitra e !
Fiadanana (in-2) ho an’ny olona, ety an-tany e !
Fa nanehoany ny fitiavany.

Midera Anao ‘zahay, mankalaza,
Mitsaoka Anao ‘zahay ry Andriamanitra ô !
Mihoby ny hasinao lalan-dava,
Fa lehibe ny voninahitra.

Ry Tompo Andriamanitra ô !
Mpanjakan’ny lanitra a !
Ianao no Ray be voninahitra,
Mahefa ny zava-drehetra.

Ry Jesoa Kristy Tompo,
Zanaka Lahitokana,
Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra,
Ianao ‘lay Zanaky ny Ray.

Manala ny fahotan’ny olona,
Ka mamindrà fo aminay,
Manala ny fahotan’ny olona,
Ka raiso ny fifonanay,
Mipetraka eo an-kavanan’ny Ray Ianao,
Ka mamindrà fo aminay,
Fa Ianao irey no masina,
Ianao irey no Tompo,
Ianao irery no Avo indrindra,
Ry Jesoa Kristy, miaraka amin’ny Fanahy,
Ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 251
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0706