Voninahitra

(Lili)

Voninahitra anie ho an’ Andriamanitra,
Mitoetra any amin’ny avo indrindra,
Fiadanana anie ho an’ny olombelona,
Nanehoany ny hatsaram-pony e ! e !

-- Tompo ô ! (in-2)
Mihoby ny hasinao ‘zahay
Midera sy mankalaza Anao ‘zahay
Itsaohanay, isaoranay Ianao
Ry Tompo Andriamanitra,
‘Lay mpanjakan’ny tany aman-danitra
Ray mahefa ny zavatra rehetra.

Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra ô !
Izay manala ny fahotan’ny olona, mamindra fo aminay !
- Ry Tompo Jesoa izay mpamonjy anay,
- Mpanjaka mahefa, ankavanan’Izy Ray.

Ry Jesoa Zanak’ Andriamanitra ô !
Ianao dia Ianao irery ihany no avo indrindra,
Ao amin’ny Fanahy Masina.

Ho Anao dia ho Anao ihany re ry Ray ô !
Ho Anao dia ho Anao ihany re ry Tompo
Ny haja rehetra amam-boninahitra
Ka ho mandrakizay, tsy misy farany .Amen !

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 250
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0606