Voninahitra

(Jean Louis Tombolaza)

Voninahitra e, ho an-Jañahary e !
Fiadanana e, ho an'olombelonô !
Tatahôvinay, an-tampon’ny lohanay Anao ô !

Midera anao ô, mankalaza anao ô ! (in-2)
Mitsaoka anao ô, mihoby ny hasinao 'zahay (e). (in-2).

Misaotra anao ô, fa be voninahitra. (in-2)
Mpanjakan'ny lanitra, Ray mahefa ny raha jiaby. (in-2).

Jesoa Kristy e, Zanak’ondrin-Jañahary e ! (in-2)
Manala ny fahotana,
(Eo) an-kavanan’ny Ray izy (e). (in-2).

Ianao irery no masina e ! Ianao irery no Tompo, (in-2)
Miaraka amy Fanahy Masina,
Amy voninahi-Jañahary (e). (in-2).

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 250
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009