Voninahitra

(Julien Rakotoarinosy)

Amianay Anao Zañahary ambony indrindra.
Ny voninahitra.
Ary fiadanana anie, ho an'ny olona namindràny fo.

1. Midera anao izahay, mankalaza anao izahay,
Mitsaoka anao izahay, mihoby ny hasinao izahay,
Misaotra anao izahay, noho ny haben’ny voninahitrao.
Ry Tompo Andriamanitra, Mpanjakan'ny lanitra.

-- Voninahitra e, Voninahitra à !
-- Voninahitra ho an'Andriamanitra.

Amianay Anao Zañahary Ambony indrindra.
Ny Voninahitrao,
Ary Fiadanana anie !
Ho an'ny oloño namindrany fo.

2. Ry Jesoa Kristy Tompo Zanak'Andriamanitra;
Tompo Zanak'ondrin'Andriamanitra; Zanaky ny Ray.

Manala ny fahotana jiaby,
Mamindra fo aminay.
Raisonarô ny fifonanay
Ianao Ray, Zoky mpamindra fo.

Voninahitra, Voninahitra!
Voninahitra ho an' Andriamanitra.

Anao araiky no Masina, Voninahitra
Anao araiky no Tompo, Voninahitra
Anao araiky no Avo Indrindra
Miaraka amin'ny Fanahy Masina
Ao amin'ny Voninahitra
Andriamanitra Ray, Amen !. (in-3).

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 248
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095