Voninahitra anie ho an'Andriamanitra

(TOMBO Christian )

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra,
Any amin'ny avo indrindra,
Fiadanana anie ho an'ny olombelona,
Ety ambonin'ny tany.
(Voninahitra) Voninahitra !
(Voninahitra) Voninahitra !

Midera Anao ‘zahay ry Tompo Andriamanitra ô !
Mitsaoka Anao ‘zahay, misaotra Anao ‘zahay,
Mihoby ny hasinao ‘zahay.

Ry Jesoa Kristy Zanaka Lahitokana !
Manala ny fahotan'izao tontolo izao,
Afaho re ny helokay.

Ianao no Avo indrindra ry Jesoa Kristy Tompo ô !
Ianao no masina miaraka amin'ny Fanahy
Anao re ny voninahitra.

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 247
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092