Voninahitra

(Mathieu)

Voninahitra e e! amiaña haja e e !
Amin’ny Avo indrindra e e mendriky Zañahary e !
Ety an-tany e e ! ho an’ny ôlo jiaby e e !
Hiadantsintry e e ! homban’ny hatsaram-pony e !
Voninahitra e e ia !
E, Zañahary e !
Midera anao mankalaza e e ia !
Mitsaoka mihoby ny hasinao ô ia !
Misaotra anao izahay e ia !
Be tatô voninahitrao ô ia !

Voninahitra e e ia !
Tompoko Zañahary e !
Ry Tompo Andriamanitray e ia !
Mpanjakanay be fahefaña e ia !
Anao mahefa ny raha jiaby e ia !
Be tatô ny voninahitrao ô ia !

Voninahitra e e ia !
E, Talañôlonay e !
Ry Jesoa Kristy e ia !
Tompo zanaky ny Ray e ia !
Tomponay Zañaharinay e ia !
Zanak’ondrin’Andriamanitra e ia !
Anao no Zanaky ny Ray e ia !
Be tatô ny voninahitrao ô ia.!

(Voninahitra…)
Voninahitra e e ia !
E amindrao fo e!
Anao mañala ny fahotaña e ia !
Fahotañan’izao tontolo izao ô ia!
Raiso ny fifonanay e ia !
Anao an-kavanan’ny Ray e ia !
Anao hajaiñy an-tampo-dôha e e ia
Be tatô ny voninahitrao ô ia.

Voninahitra e e ia !
Masiñy Zañahary e !
Ninao ziraiky fahamasinaña e ia !
Anao raiky edy Tomponay e ia !
Anao araiky farany añambo ô ia !
Sy Jesoa Kristy e ia !
Miaraka amin’ny Fañahy e e ia !
Voninahitra tsy lany hamamiaña e ia :
Voninahitr’Izy Zañahary Baba e ia !
Be tatô voninahitrao e ia.

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 242
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093