Voninahitra

(Omer)

Voninahitra ho an'Andriamanitra.
Any amin'ny avo indrindra.
Fiadanana anie ho an'ny olona ety ambon'ny tany.
Fa nanehoany e ! ny hatsaram-pony e !
Midera Anao izahay. Amen !

Midera Anao izahay e !e !
Mankalaza Anao izahay,
Mitsaoka Anao izahay e ! e !
Mihoby ny hasinao izahay,
Misaotra Anao izahay e !
Noho ny haben'ny voninahitrao.

Ry Tompo Andriamanitra,
Mpanjakan'ny lanitra.
Andriamanitra Ray
Mahefa ny zava-drehetra.

Ry Jesoa Kristy Tompo,
Zanaka lahitokana.
Ry Andriamanitra a !
Zanak’ondrin'Andriamanitra.
Ry Jesoa Kristy Tompo ô !
Zanaky ny Ray Ianao.

Manala ny fahotan'izao tontolo izao Ianao,
Mamindra fo aminay !
Manala ny fahotan'izao tontolo izao Ianao,
Raiso ny fifonanay !
Mipetraka eo an-kavanan'ny Ray Ianao,
Ka mamindra fo aminay !

Ianao irery no masina,
Ianao irery no Tompo,
Ianao irery no Avo indrindra,
Ry Jesoa Kristy.
Miaraka amin'ny Fanahy Masina,
Amin'ny voninahitr'Andriamanitra Ray.

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 241
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0912